1 Samoela
Toko 29
- 1[Ny nanesorana an’i Davida tsy hiaraka tamin’ny miaramilan’ny Filistina] Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan’ny loharano ao Jezirela.
- 2Ary ireo andrianan’ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin’i Akisy.
- 3Ary hoy ireo andrianan’ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin’ireo andrianan’ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon’i Saoly, mpanjakan’ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
- 4Dia tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin’ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’inona no hahazoan’io sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny lohan’ireto olona ireto va?
- 5Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"
- 6Ary Akisy niantso an’i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.
- 7Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ireo andrianan’ny Filistina.
- 8Fa hoy Davida tamin’i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko?
- 9Ary Akisy namaly an’i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
- 10Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin’ny mpanompon’ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
- 11Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin’ny tanin’ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.