Zakaria
Toko 9
- 1[Ny handravana ny firenena maro, sy ny voninahitra ho azon’i Ziona kosa] Teny faminaniana avy tamin’i Jehovah ny amin’ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason’i Jehovah mandinika ny olombelona* Mbamin’ny firenena rehetra amin’ny Isiraely - [na: fa mijery an’i Jehovah ny mason’ny olombelona]
- 2Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
- 3Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
- 4Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin’ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon’ny afo.
- 5Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
- 6Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan’ny Filistina.
- 7Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan’ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an’Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin’ny firenen’i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
- 8Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary* tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan’ny masoko. [na: mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]
- 9Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho atỳ aminao][**heb. voavonjy]
- 10Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin’ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina Ary hatramin’ny Ony* ka hatramin’ny faran’ny tany. [Eofrata]
- 11Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
- 12Miverena ho amin’ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
- 13Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
- 14Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ny tafio-drivotra any atsimo.
- 15Ary Jehovah, Tompon’ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ny alitara.
- 16Ary hovonjen’i Jehovah Andriamaniny ireny amin’izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin’ny taniny ireny.
- 17Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka* ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.