Zakaria
Toko 2
- 1[Fahitana faharoa: ny amin’ny tandroka efatra sy ny mpiasa efatra] Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.
- 2Ary hoy izaho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
- 3Ary dia nanehoan’i Jehovah mpiasa efatra aho.
- 4Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ny tanin’ny Joda hanely azy.
- 5[Fahitana fahatelo: ny amin-dralehilahy nitondra famolaina] Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.
- 6Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
- 7Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
- 8ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin’io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
- 9Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.
- 10He! he! mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.
- 11He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
- 12Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hampiseho* voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. [Heb. aorian’ny]
- 13Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin’ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ny maro, no naniraka ahy.
- 14Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.
- 15Ary firenena maro no hanaiky ho an’i Jehovah amin’izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
- 16Ary Jehovah hanana an’i Joda ho anjarany ao amin’ny tany masina ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.
- 17Mangina eo anatrehan’i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin’ny fitoerany masina Izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.