Zakaria
Toko 5
- 1[Fahitana fahenina: ny amin ilay horonan-taratasy manidina, sy ravehivavy ao anatin’ny vata famarana] Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
- 2Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
- 3Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
- 4Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ao an-tranon’izay mianian-tsy tò amin’ny anarako ary hitoetra ao amin’ny tranony ka handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.
- 5Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
- 6Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana* ’mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ny tany rehetra [Heb. efaha]
- 7(ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin’ny vata famarana*. [Heb. efaha]
- 8Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ny vata famarana* io; ary natontany teo am-bavan’io ny vato firaka. [Heb. efaha]
- 9Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7
- 10Dia hoy izaho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ireto ny vata famarana*. [Heb. efaha]
- 11Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ny fipetrahany izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.