Zakaria
Toko 11
- 1[Ny amin’ny hihavian’ny loza, ary ny hahafoizana ny ondrin’i Jehovah noho ny fandavany Azy, sy ny hanolorana ireny ho amin’ny mpiandry adala,]Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ny afo ny sederanao
- 2Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
- 3Injay! fidradradradran’ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron*’i Jordana [heb. reharehany]
- 4Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
- 5dia ireo vonoin’ny tompony* nefa tsy ananany heloka**; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy [*na: izay nividy azy][**na: nefa tsy atao ho meloka ireny]
- 6Fa tsy hiantra ny mponina amin’ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ny namany sy samy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ny tànany Aho.
- 7Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
- 8Ary nandringana ny mpiandry ondry telo* Aho tamin’ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. [na: telo amin’ireo mpiandry ireo]
- 9Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy.
- 10Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny firenena rehetra.
- 11Ary tapaka tamin’izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’i Jehovah izany.
- 12Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
- 13Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin’ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin’ny mpanefy tanimanga tao an-tranon’i Jehovah.
- 14Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian’i Joda sy Isiraely.
- 15Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ny mpiandry ondry adala.
- 16Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka*; fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. [heb. mijoro tsara]
- 17Lozan’ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.