Zakaria
Toko 10
- 1Mangataha ranonorana amin’i Jehovah ianareo amin’ny andro fara-orana, Dia amin’i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
- 2Fa ny sampy* niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. [heb. terafima]
- 3Amin’ny mpiandry ondry no irehetan’ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ny maro, efa namangy ny taranak’i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ny ady.
- 4Avy ao aminy no hihavian’ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ny mpampahory rehetra.
- 5Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
- 6Hampahery ny taranak’i Joda Aho, Ary ny taranak’i Josefa hovonjeko ka hampodiko*, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. [na: hamponeniko]
- 7Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’i Jehovah ny fony.
- 8Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
- 9Ary hafafiko any amin’ny firenena izy, Ka any amin’ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy*; Ary samy ho velona izy mbamin’ny zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any amin’ny firenena aza izy , dia hahatsiaro Ahy any amin’ny tany lavitra]
- 10Dia hampody azy avy any amin’ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
- 11Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’i Egypta.
- 12Dia hampahereziko ao amin’i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.