Zakaria
Toko 13
- 1Amin’izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ny taranak’i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
- 2Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
- 3Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
- 4Ary amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapĂ´ty volom-biby hamitahana izy,
- 5fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo* ahy, fony aho mbola kely. [na: nividy]
- 6Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin*’ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. [heb. anelanelan’]
- 7[Ny hanadiovana ny Isiraely, sy ny ho voninahiny any am-parany] Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
- 8Ary amin’ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
- 9Ary ho entiko miditra amin’ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.