Zakaria
Toko 3
- 1[Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan’Ilay Anjelin’i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan’Ilay Anjelin’i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
- 2Ary hoy Jehovah tamin’i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ny afo va ity?
- 3Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’Ilay Anjely.
- 4Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
- 5Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin’i Jehovah dia nitsangana teo.
- 6Ary Ilay Anjelin’i Jehovah nilaza marimarina tamin’i Josoa hoe:
- 7Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin’ireo mitsangana ireo ianao.
- 8Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana* Mpanompoko. [Na: solofo]
- 9Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa, ny vato iray dia banjinin’ny maso fito*; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity. [Heb. amin’ny vato iray misy maso fito]
- 10Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.