2 Mpanjaka
Toko 6
- 1[Ny nampitsinkafonan’i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
- 2Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.
- 3Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.
- 4Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
- 5Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy]
- 6Ary hoy ny lehilahin’Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
- 7Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
- 8[Ny nataon’i Elisa hamonjena ny Isiraely tamin’izy niadian’ny Syriana] Ary ny mpanjakan’i Syria niady tamin’ny Isiraely ka nilaza tamin’ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.
- 9Ary ilay lehilahin’Andriamanitra kosa naniraka tany amin’ny mpanjakan’ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan’ny Syriana.
- 10Ary ny mpanjakan’ny Isiraely naniraka tany amin’izay nolazain’ny lehilahin’Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
- 11Dia sosotra indrindra ny fon’ny mpanjakan’i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan’ny Isiraely?
- 12Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin’ny Isiraely ihany no milaza amin’ny mpanjakan’ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin’ny trano fandrianao aza.
- 13Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.
- 14Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
- 15Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ny lehilahin’Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
- 16Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
- 17Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.
- 18Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’i Elisa.
- 19Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
- 20Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason’ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan’i Samaria izy.
- 21Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ny Isiraely, dia hoy izy tamin’i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
- 22Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin’ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ny tompony.
- 23Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin’ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ny tanin’ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’i Syria.
- 24[Ny nataon’i Elisa tamin’ny nisian’ny mosary mafy tany Samaria] Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an’i Samaria.
- 25Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan’ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.
- 26Ary raha nitsangantsangana teny ambonin’ny manda ny mpanjakan’ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
- 27Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen’i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin’ny famoloana va, sa amin’ny famiazam-boaloboka?
- 28Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
- 29Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.
- 30Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin’ny manda izy, ka hitan’ny olona fa, indro lamba fisaonana* no nataony manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]
- 31Dia hoy izy: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’i Elisa, zanak’i Safata.
- 32Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin’i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin’ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony?
- 33Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin’i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an’i Jehovah?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.