2 Mpanjaka
Toko 24
- 1Tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima no niakaran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
- 2Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ny Kaldeana sy ny miaramilan’ny Syriana sy ny miaramilan’i Moaba ary ny miaramilan’ny taranak’i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
- 3Dia araka ny tenin’i Jehovah ihany no nahatongavan’izany tamin’ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’i Manase tahaka izay rehetra nataony
- 4sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’i Jehovah hamela ny helony.
- 5Ary ny tantaran’i Joiakima sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
- 6Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
- 7Ary ny mpanjakan’i Egypta tsy nivoaka avy tany amin’ny taniny intsony; fa lasan’ny mpanjakan’i Babylona izay rehetra an’ny mpanjakan’i Egypta hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta ka hatramin’ny ony Eofrata.
- 8Valo ambin’ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin’i Elnatana, avy any Jerosalema.
- 9Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
- 10Tamin’izany andro izany no niakaran’ny mpanompon’i Nebokadnezara. mpanjakan’i Babylona, hamely an’i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
- 11Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan’i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
- 12Ary Joiakina, mpanjakan’ny Joda, nivoaka nankany amin’ny mpanjakan’i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ny tandapany*;[Heb. ionoka] ary nentin’ny mpanjakan’i Babylona izy tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
- 13Ary navoakan’i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely, tao amin’ny tempolin’i Jehovah, araka izay nolazain’i Jehovah.
- 14Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
- 15Ary nitondra an’i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka sy ny tandapa* sy ny lehilahy mahery amin’ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.[Heb. ionoka]
- 16Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ny mpanjakan’i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
- 17Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ny mpanjakan’i Babylona ho mpanjaka hisolo an’i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
- 18[Ny nanjakan’i Zedekia, sy ny nandravana an’i Jerosalema, ary ny toetry ny olona sisa sy Joiakina] Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’i Jeremia, avy any Libna.
- 19Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’i Joiakima.
- 20Fa ny fahatezeran’i Jehovah no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ny mpanjakan’i Babylona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.