2 Mpanjaka
Toko 18
- 1[Ny niandohan’ny nanjakan’i Hezekia, sy ny naharavan’ny fanjakan’ny Isiraely] Ary tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Hosea, zanak’i Elaha, mpanjakan’ny Isiraely, no vao nanjakan’i Hezekia, zanak’i Ahaza, mpanjakan’ny Joda.
- 2Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin’i Zakaria.
- 3Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’i Davida rainy.
- 4Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’i Mosesy; fa ny Zanak’Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin’iny hatramin’izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana*.[Nehostana = Ilay varahina]
- 5Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin’izay rehetra mpanjakan’ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
- 6Fa nifikitra tamin’i Jehovah izy ka tsy niala tamin’ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 7Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina* tamin’izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin’ny mpanjakan’i Asyria izy ka tsy nanompo azy.[Na: hita ho hendry]
- 8Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin’ny tilikambon’ny mpiambina ka hatramin’ny tanàna mimànda.
- 9Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan’i Hosea, zanak’i Elaha, mpanjakan’ny Isiraely, izany) no niakaran’i Salmanesera mpanjakan’i Asyria, hamely an’i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
- 10Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak’ireo ny tanàna; dia tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan’i Hosea, mpanjakan’ny Isiraely, no nahafahana an’i Samaria.
- 11Ary ny mpanjakan’i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’i Habora, onin’i Gozana, ary teny amin’ny tanànan’ny Mediana,
- 12Satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
- 13[Ny niadian’i Sankeriba tamin’i Hezekia] Ary tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
- 14Ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda, naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan’i Asyria nampandoa an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
- 15Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon’i Jehovah sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka.
- 16Tamin’izany andro izany no nanendahan’i Hezekia ny volamena tamin’ny varavaran’ny tempolin’i Jehovah sy tamin’ny tolana, dia ilay efa napetak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; ary dia nomeny ho an’ny mpanjakan’i Asyria izany.
- 17Ary ny mpanjakan’i Asyria naniraka an’i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba.
- 18Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
- 19Dia hoy Rabsake tamin’ireo: Andeha, lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asyria: Inona izato itokianao?
- 20Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
- 21Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan’i Egypta, amin’izay rehetra matoky azy.
- 22Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
- 23Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
- 24Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
- 25Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
- 26Dia hoy Eliakima, zanak’i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana* no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny mànda.[Heb. Aramiana]
- 27Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin’ny olona izay mipetraka eny ambonin’ny manda, hihinanany izay tsy fihinany* sy hisotroany izay tsy fisotrony** miaraka aminareo? [*Heb. ny tainy][**Heb. ny amaniny]
- 28Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin’ny feo mahery tamin’ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asyria:
- 29Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin’i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ny tanako izy tsy akory.
- 30Ary aza mety hampahatokin’i Hezetia an’i Jehovah ianareo amin’ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanjakan’i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
- 31Aza mihaino an’i Hezekia; fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
- 32 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an’i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin’ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
- 33Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ny mpanjakan’i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
- 34Aiza moa ireo andriamanitr’i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr’i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tanako va ireo andriamaniny?
- 35Iza moa amin’ny andriamanitra rehetra amin’ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, koa aiza no hahavonjen’i Jehovah an’i Jerosalema amin’ny tanako?
- 36Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
- 37Ary Eliakima, zanak’i Hilkia izay lehiben’ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.