2 Mpanjaka
Toko 15
- 1[Ny nanjakan’i Azaria tamin’ny Joda, ary ny nanjakan’i Zakaria sy Saloma sy Menahema sy Pekahia ary Peka tamin’ny Isiraely] Tamin’ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’i Jeroboama, mpanjakan’ny Isiraely, no vao nanjakan’i Azaria, zanak’i Amazia, mpanjakan’ny Joda.
- 2Enina ambin’ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
- 3Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’i Amazia rainy;
- 4kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny fitoerana avo ihany ny olona.
- 5Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin’ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
- 6Ary ny tantaran’i Azaria sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
- 7Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin’ny razany, ka nalevina tao amin’ny razany tao an-tanànan’i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
- 8Tamin’ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no nanjakan’i Zakaria, zanak’i Jeroboama, tamin’ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
- 9Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah tahaka ny nataon’ny razany izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
- 10Ary Saloma, zanak’i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan’ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
- 11Ary ny tantaran’i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Isiraely izany.
- 12Izany no ilay tenin’i Jehovah nolazainy tamin’i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin’ny zafindohalika dia hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
- 13Ary Saloma, zanak’i Jabesy, dia vao nanjaka tamin’ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
- 14Fa Menahema, zanak’i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an’i Saloma, zanak’i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
- 15Ary ny tantaran’i Saloma sisa mbamin’ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Isiraely izany.
- 16Tamin’izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an’i Tifsa mbamin’izay rehetra tao hatramin’ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
- 17Tamin’ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no vao nanjakan’i Menahema, zanak’i Gady, tamin’ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
- 18Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy, fa tamin’ny androny rehetra dia tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
- 19Ary Pola, mpanjakan’i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an’i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan’i Menahema.
- 20Ary nampandoavin’i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin’ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan’i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan’i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin’ny tany.
- 21Ary ny tantaran’i Menahema sisa mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Isiraely va izany?
- 22Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin’ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
- 23Tamin’ny taona fahadimam-polo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no vao nanjakan’i Pekahia, zanak’i Menahema, tamin’ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
- 24Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
- 25Ary Peka, zanak’i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an’i Pekahia mbamin’i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin’ny trano-avo amin’ny lapa, ary teo amin’Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin’ny taranak’i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
- 26Ary ny tantaran’i Pekahia sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Isiraely izany.
- 27Tamin’ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan’i Azaria, mpanjakan’ny Joda, no vao nanjakan’i Peka, zanak’i Remalia, tamin’ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
- 28Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
- 29Tamin’ny andron’i Peka, mpanjakan’ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan’i Asyria, ka nahafaka an’Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin’ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
- 30Ary Hosea, zanak’i Elaha, nikomy tamin’i Peta, Zanak’i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa-polo nanjakan’i Jotama, zanak’i Ozia.
- 31Ary ny tantaran’i Peka sisa mbamin’izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Isiraely izany.
- 32[Ny nanjakan’i Jotama tamin’ny Joda] Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Isiraely, no vao nanjakan’i Jotama, zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda.
- 33Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka.
- 34Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon’i Ozia rainy no nataony.
- 35Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Jehovah.
- 36Ary ny tantaran’i Jotama sisa mbamin’Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
- 37Tamin’izany andro Izany no vao nampandehanan’i Jehovah an’i Rezina, mpanjakan’i Syria, sy Peka, zanak’i Remalia, hanafika an’i Joda.
- 38Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ny razany, dia nalevina tao amin’ny razany tao an-Tanànan’i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.