2 Mpanjaka
Toko 2
- 1[Ny nampakarana an’i Elia ho any an-danitra, sy ny fahagagana voalohany nataon’i Elisa] Ary nony efa hampakarin’i Jehovah ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
- 2Ary hoy Elia tamin’i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
- 3Ary nivoaka nankany amin’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
- 4Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
- 5Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.
- 6Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
- 7Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron’i Jordana.
- 8Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin’ny tany maina izy roa lahy.
- 9Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ny fanahinao mba ho ahy.
- 10Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
- 11Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
- 12Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin’ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
- 13Ary nalainy ny kapôtin’i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’i Jordana.
- 14Dia noraisin’i Elisa ny kapôtin’i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr’i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
- 15[Ny niverenan’i Elisa nankany Jeriko sy Betela, ary ny fahagagana nataony] Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin’i Elia efa mipetraka amin’i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
- 16Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin’ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain’ny Fanahin’i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
- 17Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
- 18Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
- 19Ary hoy ny mponina tao amin’izany tanàna izany tamin’i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon’anaka*.[Na: tsy mahavanom-boly]
- 20Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
- 21Ary nivoaka nankany amin’ilay niandohan’ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Efa nahatsara* ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan’anaka intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]
- 22Ka dia tsara* ny rano mandraka androany araka ny teny nataon’i Elisa.[Heb. sitrana]
- 23Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
- 24Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin’ny anaran’i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an’ala namiravira roa amby efa-polo tamin’ireo ankizilahy madinika ireo.
- 25Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.