2 Mpanjaka
Toko 1
- 1[Ny nahararian’i Ahazia, sy ny nilazan’i Elia fa ho faty izy] Ary Moaba niodina tamin’ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
- 2Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ny makarakara teo amin’ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’i Bala-zeboba, andriamanitr’i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ity aretiko ity, na tsia.
- 3Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niteny tamin’i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin’ny iraky ny mpanjakan’i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin’i Bala-zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo?
- 4Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
- 5Dia niverina tany amin’ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
- 6Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin’i Bala-zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
- 7Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
- 8Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
- 9Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin’ny mpanjaka.
- 10Fa Elia namaly ka nanao tamin’ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimam-polo fehiny.
- 11Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin’ny mpanjaka.
- 12Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon’Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimam-polo fehiny.
- 13Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin’ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
- 14Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin’ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
- 15Ary hoy Ilay Anjelin’i Jehovah tamin’i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin’ny mpanjaka.
- 16Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: Izao no lazain’i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin’i Bala-zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
- 17Ka dia maty izy araka ny tenin’i Jehovah izay nolazain’i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
- 18Ary ny asan’i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Isiraely va izany?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.