2 Mpanjaka
Toko 20
- 1[Ny nahararian’i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian’i Berodaka-baladana, mpanjakan’i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin’izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
- 2Dia nitodika nankany amin’ny rindrina izy ka nivavaka tamin’i Jehovah hoe:
- 3Jehovah รด, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
- 4Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna* afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin’i Jehovah nanao hoe: [Na: kianja]
- 5Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ianao.
- 6Ary hampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin’ny tenako sy Davida mpanompoko.
- 7Ary hoy Isaia: Makà ampempan’aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin’ny vay, dia sitrana izy.
- 8Ary hoy Hezekia tamin’i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin’i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon’i Jehovah raha afaka ampitso?
- 9Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny* folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo? [Heb. ambaratonga]
- 10Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan’ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
- 11Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin’i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin’ny dialin’i Ahaza.
- 12Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Berodaka baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
- 13Ary Hezekia nandray* azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany rehetra.[Heb. nihaino]
- 14Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
- 15Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin’ny firaketako rehetra.
- 16Ary hoy Isaia tamin’i Hezekia: Henoy ary ny tenin’i Jehovah:
- 17Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
- 18Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka* any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona ireo.[Heb. ionoka]
- 19Dia hoy Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin’ny androko ka handry fahizay?
- 20Ary ny tantaran’i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin’ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany?
- 21Ary Hezekia lasa nodimandry any amin’ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.