1 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 6
- 1Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy* ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana. [*Gr. hasiana blasfemia, izahao Mat. 9.3]
- 2Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
- 3[Fananarana sy teny farany ho an’i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema*, dia ny an’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, [* Gr. salama]
- 4dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary]
- 5fifandirana lalandava, fanaon’ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
- 6Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana.
- 7Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa* tsy hahatondra na inona na inona hiala. [* Na: satria]
- 8Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.
- 9Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.
- 10Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
- 11Fa ianao kosa, sy lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
- 12Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
- 13Izaho mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato,
- 14mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
- 15ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, no haneho izany amin’ny fotoany;
- 16Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
- 17Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova*, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, [* Gr. fiovavovan’ny harena]
- 18mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
- 19ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
- 20Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
- 21izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.