1 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 5
- 1[Ny amin’ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin’ny sasany koa, ary anatra ho amin’ny mpanompon’olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
- 2ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.
- 3Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
- 4Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.
- 5Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an’Andriamanitra ka maharitra amin’ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman’alina
- 6Fa izay vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
- 7Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
- 8Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
- 9Aza soratana ho isan’ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
- 10ary tsara laza amin’ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
- 11Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
- 12ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
- 13Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy mety.
- 14Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
- 15Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’i Satana.
- 16Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana*, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. [* Gr. eklesia]
- 17Aoka ny loholona* izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana. [* Gr. presbytera]
- 18Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).
- 19Aza mandray teny hiampangana loholona*, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. [* Gr. presbytera]
- 20Izay manota dia anaro eo anatrehan’ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
- 21Mananatra anao mafy aho eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ny fiangarana.
- 22Aza malaky mametra-tanana amin’olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
- 23Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
- 24Ny fahotan’ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ny fitsarana, fa ny an’ny sasany kosa manaraka ato aoriana.
- 25Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.