1 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 4
- 1[Ny amin’ny hihemoran’ny sasany, sy fananarana an’i Timoty hazoto hanefa ny anjara-fanompoany] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia,
- 2amin’ny fihatsaram-belatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
- 3izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’Andriamanitra ho an’izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ny fisaorana.
- 4Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ny fisaorana,
- 5satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
- 6Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
- 7Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
- 8Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
- 9Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra.
- 10Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
- 11Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
- 12Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
- 13Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
- 14Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ny loholona*. [* Gr. presbytera]
- 15Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.
- 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.