1 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 2
- 1[Ny amin’ny fivavahana ho an’ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,
- 2ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
- 3Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
- 4Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.
- 5Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
- 6sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’izao androny izao.
- 7Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.
- 8Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.
- 9Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila]
- 10fa amin’ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra.
- 11Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
- 12Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
- 13Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
- 14Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
- 15Nefa hovonjena ihany izy amin’ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahononan-tena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.