1 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 3
- 1[Ny amin’ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
- 2Koa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo]
- 3tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
- 4manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara
- 5(fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan*’Andriamanitra?), [* Gr. eklesia]
- 6tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fahamelohan’ny devoly.
- 7Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
- 8Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
- 9mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ny finoana amin’ny fieritreretana madio.
- 10Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
- 11Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
- 12Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
- 13Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahasahiana be amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
- 14Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;
- 15fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan*’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana. [* Gr. eklesia]
- 16Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin*’ny voninahitra. [* Na: ho any amin’]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.