Efesiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 6
- 1Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany.
- 2Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
- 3mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ny tany (Deo. 5. 16).
- 4Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.
- 5Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo, toy ny fanekena an’i Kristy ihany,
- 6tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo,
- 7amin’ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olona,
- 8satria fantatrareo fa izay soa ataon’ny olona rehetra no horaisiny amin’ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
- 9Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan’olona aminy.
- 10[Ny adim-panahin’ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr’Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.
- 11Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
- 12Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra*. [* Gr. lanitra]
- 13Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
- 14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
- 15ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo;
- 16ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.
- 17Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
- 18ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra,
- 19ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
- 20(iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]
- 21Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
- 22izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
- 23Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
- 24Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.