Efesiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 5
- 1Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
- 2ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana* amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [* Gr. fanatitra alatsa-drà]
- 3Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
- 4na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
- 5Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
- 6Aza mety hofitahin’olona amin’ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana.
- 7Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
- 8Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
- 9(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
- 10mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.
- 11Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
- 12Fa izay ataony ao amin’ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
- 13Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
- 14Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
- 15Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
- 16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
- 17Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.
- 18Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
- 19ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo,
- 20misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika,
- 21sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy,
- 22Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
- 23Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]
- 24Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana* an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]
- 25Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]
- 26mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny;
- 27mba horaisiny* ho an’ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony] [** Gr. eklesia]
- 28Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
- 29Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana*; [ Gr. eklesia]
- 30fa momba ny tenany isika.
- 31Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
- 32Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]
- 33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.