Efesiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 3
- 1[Ny nanendrena an’i Paoly ho Apostolin’ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an’ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
- 2raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
- 3fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
- 4Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’i Kristy,
- 5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
- 6dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
- 7izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ny heriny.
- 8Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ny jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany,
- 9ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
- 10mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra amin’ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
- 11araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika,
- 12Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin’ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
- 13Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
- 14Ary noho izany no andohalehako amin’ny Ray
- 15Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
- 16mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
- 17mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo,
- 18mba hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
- 19ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
- 20Ary ho an’izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
- 21ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana* sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.