Efesiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 4
- 1[Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin’]
- 2amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana,
- 3mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.
- 4Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
- 5iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
- 6iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.
- 7Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra.
- 8Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ny olona (Sal. 68. 18).
- 9(Ary ny amin’ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina* ho any ambanin’ny tany koa? [* Na: (nidina aloha)]
- 10Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
- 11Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
- 12ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana*, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, [* Gr. eklesia]
- 13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy;
- 14mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
- 15fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha, dia Kristy;
- 16Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
- 17[Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin’ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy;
- 18fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ny fony,
- 19dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.
- 20Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy,
- 21raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy,
- 22mba hialanareo ny toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; [* Gr. olonareo]
- 23fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo,
- 24ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona]
- 25Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.
- 26Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
- 27Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.
- 28Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
- 29Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.
- 30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.
- 31Esory aminareo ny fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana]
- 32ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.