Efesiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 2
- 1Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
- 2izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana;
- 3teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
- 4Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika,
- 5na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
- 6ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy,
- 7mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny haren’ny fahasoavany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy.
- 8Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra;
- 9tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
- 10Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
- 11[Ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny jentilisa amin’ny andraisany azy ho ao amin’ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora -
- 12eny, tsarovy fa tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Isiraely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao;
- 13fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy.
- 14Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
- 15fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
- 16ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
- 17Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin’izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
- 18Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray.
- 19Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra,
- 20natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
- 21ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo.
- 22Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.