Galatiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 6
- 1Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza*, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. [* Na: azo olan-tanana amin’izay fahadisoana aza]
- 2Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.
- 3Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
- 4Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa;
- 5fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
- 6Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra.
- 7Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.
- 8Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
- 9Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
- 10Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.
- 11[Anatra farany] Indro ny havaventin’ny soratra izay soratan’ny tanako ho aminareo.
- 12Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’i Kristy izy.
- 13Fa na dia ny tenan’izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin’ny nofonareo.
- 14Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay* nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao. [* Na: izay]
- 15Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
- 16Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin’ny Isiraelin’Andriamanitra.
- 17Amin’izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’i Jesosy voatomboka eo amin’ny tenako.
- 18Ho amin’ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.