Galatiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 3
- 1[Ny famonjena sy ny fahafahan’ny mino an’i Kristy ampitahaina amin’ny fahamelohana sy ny fahandevozan’izay miankina amin’ny lalàna] Ry Galatiana adala, iza no nanimba* anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana? [* Gr. mamosavy]
- 2Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana amin’ny finoana]
- 3Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ny nofo va ankehitriny?
- 4Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
- 5Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ny asan’ny lalàna va izany, sa avy amin’ny fitoriana ny finoana*? [* Na: fandrenesana amin’ny finoana]
- 6Dia tahaka an’i Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
- 7Koa fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.
- 8Ary satria hitan’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
- 9ka dia izay amin’ny finoana notahina mbamin’i Abrahama mpino.
- 10Fa izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna (Deo. 27. 26).
- 11Ary hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra ; fa ny marina amin’ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [* Na: ny marina ho velon’ny finoana]
- 12Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
- 13Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo (Deo. 21. 23),
- 14mba ho tonga amin’ny jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy.
- 15Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon’ny olona aho - na dia ny fanekena* ataon’olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [* Na: didim-pananana]
- 16Ary tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an’ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
- 17Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan’ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
- 18Fa raha avy amin’ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ny teny fikasana intsony; nefa tamin’i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan’Andriamanitra azy.
- 19Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’anjely teo an-tànan’ny mpanalalana izany.
- 20Ary ny mpanalalana dia tsy an’ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
- 21Ka moa manohitra ny teny fikasan’Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin’ny lalàna tokoa ny fahamarinana
- 22Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin’ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
- 23Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
- 24Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
- 25Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika.
- 26Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy.
- 27Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.
- 28Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.
- 29Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.