Galatiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 5
- 1Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.
- 2[Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin’ny fitondran-tena tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
- 3Ary lazaiko marina indray amin’ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
- 4Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ny lalàna; efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.
- 5Fa izahay amin’ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na: fanantenan’]
- 6Fa ao amin’i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.
- 7Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
- 8Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin’ilay miantso anareo.
- 9Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
- 10Izaho matoky anareo ao amin’ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
- 11Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
- 12Enga anie ka hiesotra* aza izay mampitabataba anareo. [* Na: hanakilema tena]
- 13Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ny fitiavana.
- 14Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
- 15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
- 16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
- 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
- 18Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna.
- 19Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
- 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
- 21fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.
- 22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
- 23fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
- 24Fa izay an’Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazo fijaliana.
- 25Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
- 26Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.