Galatiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 4
- 1Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ny zavatra rehetra aza;
- 2fa fehezin’izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ny fetr’andro voatendrin’ny rainy.
- 3Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao;
- 4fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna,
- 5hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’anaka.
- 6Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray รด.
- 7Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra.
- 8Kanefa tamin’izany, fony mbola tsy nahalala an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
- 9fa ankehitriny, rehefa mahalala an’Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
- 10Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
- 11Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
- 12Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
- 13nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ilay voalohany;
- 14ary ny teo amin’ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’i Kristy Jesosy aza.
- 15Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
- 16Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
- 17Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
- 18Fa tsara raha ilam-pitia amin’ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
- 19Anaka, izay aharariako indray amin’ny fiterahana mandra-paharin’i Kristy ao anatinareo,
- 20enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
- 21Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
- 22fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ny tsy andevo.
- 23Kanefa ilay tamin’ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ny teny fikasana.
- 24Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ny fahandevozana, dia Hagara izany.
- 25Ary* ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ny zanany. [* Na: (Fa)]
- 26Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
- 27Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ny manana-bady (Isa. 54. 1).
- 28Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’isaka.
- 29Kanefa tahaka ny tamin’izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
- 30Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).
- 31Ary amin’izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.