Galatiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
Toko 1
- 1[Fiarahabana] Paoly Apostoly - tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ny maty -
- 2mbamin’ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana* atỳ Galatia: [* Gr. eklesia]
- 3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
- 4Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao*, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao]
- 5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 6[Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah’Apostoly an’i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa,
- 7izay tsy filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’i Kristy. [* Gr. anankiray koa]
- 8Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy* izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona** izy. [* Na: manohitra] [** Gr. anatema]
- 9Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona* izy, [* Gr. anatema]
- 10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy.
- 11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ny olona izany.
- 12Fa izaho tsy nandray azy tamin’olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ny fanambaran’i Jesosy Kristy ihany.
- 13Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ny fivavahan’ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan*’Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [* Gr. eklesia]
- 14ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
- 15Fa raha sitrak’Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ineny ny niantso ahy tamin’ny fahasoavany,
- 16ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny jentilisa, niaraka tamin’izay dia tsy naka saina tamin’ny nofo aman-drà aho,
- 17ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
- 18Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ny folo andro.
- 19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba*, rahalahin’ny Tompo. [* Na: fa Jakoba kosa]
- 20Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
- 21Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ny tany Syria sy Kilikia aho;
- 22ary tsy mbola fantatry ny fiangonana* any Jodia, izay ao amin’i Kristy, ny tarehiko. [* Gr. eklesia]
- 23Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .
- 24Ary dia nankalazany an’Andriamanitra aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.