2 Korintiana
Toko 6
- 1Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’Andriamanitra
- 2fa hoy Izy: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
- 3fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
- 4fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, dia amin’ny faharetana be, amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana,
- 5amin’ny kapoka, amin’ny fatorana, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny tsy fahitan-tory, amin’ny fifadian-kanina,
- 6amin’ny fahadiovana, amin’ny fahalalana, amin’ny fahari-po, amin’ny fahamoram-panahy, amin’ny Fanahy Masina, amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
- 7amin’ny teny fahamarinana, amin’ny herin’Andriamanitra, amin’ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia,
- 8amin’ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;
- 9tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
- 10tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
- 11[Fanarana ny Kristiana tao Korinto mba tsy hikamba amin’ny ratsy, sy filazana ny hafalian’i Paoly noho ny nibebahan’ireo, rehefa nahazo ny epistily nampitondrainy] Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
- 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany.
- 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.
- 14Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ny mazava sy ny maizina?
- 15Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?
- 16Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy ? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).
- 17Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
- 18Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12).
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.