2 Korintiana
Toko 11
- 1Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra* amiko ihany ianareo.[*Na: Eny, mandefera]
- 2Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy.
- 3Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.
- 4Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin’izany!
- 5Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra* ireo.[*Na: Fatratra loatra]
- 6Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin’ny fahalalana; fa tamin’ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
- 7Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo?
- 8Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
- 9Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
- 10Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ny tany Akaia.
- 11Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
- 12Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin’ny izay ireharehany.
- 13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy.
- 14Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.
- 15Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
- 16Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
- 17Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin’ny fahadalana amin’izao rehareha matoky izao ihany.
- 18Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
- 19Fa sitrakareo ny handefitra amin’ny adala, satria hendry angaha ianareo.
- 20Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
- 21Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
- 22Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak’i Abrahama va izy? Izaho koa.
- 23Mpanompon’i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ny fisasarana manan-tombo, amin’ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ny fahafatesana matetika.
- 24Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
- 25Intelo nokapohina tamin’ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ny lalina,
- 26nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ny ony, saiky nahita loza tamin’ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ny rahalahy sandoka aho,
- 27tamin’ny fisasarana sy ny fikelezan’aina, tamin’ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
- 28Afa-tsy ireo zavatra ivelany* dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.[*Na: izany rehetra izany]
- 29Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
- 30Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
- 31Andriamanitra, Rain’i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho.
- 32Tany Damaskosy ny governora notendren’i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
- 33fa avy teo amin’ny varavarankely eo amin’ny mànda no nampidinana ahy tamin’ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.