2 Korintiana
Toko 3
- 1[Ny amin’ny voninahitra momba ny raharaha nanendrena ny Apostoly, sy ny fihoaran’izay noho ny voninahitry ny lalàna] Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo?
- 2Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ny olona rehetra;
- 3eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay* ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo.[*Na: soratanay; Gr. anompoanay]
- 4Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’Andriamanitra izahay amin’ny alalan’i Kristy.
- 5Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’inona na amin’inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra,
- 6Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ny soratra, fa amin’ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.
- 7Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin’ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak’Isiraely tsy nahabanjina ny tavan’i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,
- 8tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban’ny Fanahy?
- 9Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.
- 10Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin’izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.
- 11Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.
- 12Koa amin’izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,
- 13ary tsy tahaka an’i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ny Zanak’Isiraely ny faran’izay nihalevona;
- 14fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany.
- 15Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’i Mosesy.
- 16Kanefa raha miverina amin’ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.
- 17Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana.
- 18Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra*, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.[*Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.