2 Korintiana
Toko 2
- 1Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’alahelo.
- 2Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
- 3Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
- 4Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
- 5Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
- 6Ampy ho amin’izany olona izany ny fampijaliana nataon’ny maro,
- 7ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin*’ny fitomboan’alahelo izany olona izany.[*Gr. atelin’]
- 8Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ny fitiavana izy.
- 9Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ny zavatra rehetra ianareo,na tsia.
- 10Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa,raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason*’i Kristy,[*Na: nisolo anay]
- 11fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
- 12Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ny Tompo,
- 13dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
- 14Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
- 15Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay amin’izay hovonjena sy izay ho very:
- 16amin’ny sasany dia hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana; fa amin’ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’izany zavatra izany?
- 17Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.