2 Korintiana
Toko 4
- 1Ary amin’izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
- 2Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’Andriamanitra izahay; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.
- 3Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’izay ho very izany,
- 4izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.
- 5Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin’i Jesosy.
- 6Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan*’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.[*Na: hampisehoana]
- 7Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay.
- 8Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
- 9enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
- 10mitondra ny fahafatesan*’i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy. [*Gr. ny famonoanana an’]
- 11Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesosy, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesosy.
- 12Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
- 13Ary satria manana izany fanahin’ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny;
- 14fa fantatray fa Izay nanangana an’i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
- 15Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro.
- 16Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay]
- 17Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,
- 18raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.