Tonon-kiran’i Solomona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
Toko 7
- 1Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ny Solemita? Dihy tahaka ny an’i Mahanaima*.[Na: ataon’ny mpandihy roa tonta;]
- 2Endrey! mahate-hijery ny famindran’ny tongotrao mikiraro*, ry zazavavy zanak’andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ny tanan’ny mahay zavatra.[Heb. mikapa]
- 3Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
- 4Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
- 5Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ny tanàna be olona*; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’i Damaskosy.[Na: eo am-bavahadin’i Beta-rabina]
- 6Ny lohanao dia tahaka an’i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ny volo olioly ny mpanjaka!
- 7Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala*, amin’izao zava-mahafinaritra rehetra izao![Heb. ry fitiavana]
- 8Izato tsangananao dia tahaka ny rofia*, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.[palma]
- 9Hoy izaho: Hananika ny rofia* aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ny poma,[palma]
- 10Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ny malalako sady miditra misononoka amin’ny molotry ny matory.
- 11An’ny malalako aho, sady manina ahy* izy.[Heb. ho amiko ny faniriany;]
- 12Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
- 13Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao.
- 14Mamerovero tsara ny dodaima*, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.[mandragora]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.