Tonon-kiran’i Solomona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
Toko 2
- 1Izaho dia voninkazo eny an-tanety* ihany sy lilia eny an-dohasaha.[Na: any SarĂ´na]
- 2Toy ny lilia eo amin’ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ny zazavavy.
- 3Toy ny hazo poma amin’ny hazo any an’ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
- 4Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
- 5Hatanjaho amin’ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin’ny poma aho, fa mararim-pitia.
- 6Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
- 7Mampianiana anareo amin’ny gazela* na amin’ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
- 8[Tenin’ny ampakarina, raha nitoetra irery izy] Injay, ny feon’ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin’ny havoana.
- 9Ny malalako dia tahaka ny gazela* na ny diera* tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay** izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ny makarakara.[*Anaram-biby haingan-tongotra][**Heb. ivelan’ny rindrinay]
- 10Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
- 11Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
- 12Miposaka eo amin’ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina.
- 13Ny aviavy* mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary![aviavimbazaha]
- 14E, ry voromailalako ao amin’ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ny fialokalofana amin’ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
- 15Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
- 16Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ny lilia.
- 17Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela** na ny diera** tanora eny an-tendrombohitra be hantsana*** ianao. [*Heb. mandositra ny aloka][**Anaram-biby haingan-tongotra][***Na: tendrombohitra manelanelana]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.