Tonon-kiran’i Solomona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
Toko 6
- 1Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
- 2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ny tanimboly sy hioty ny lilia.
- 3An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ny lilia.
- 4Tsara tarehy tahaka an’i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ny miaramila mitondra faneva.
- 5Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’i Gileada.
- 6Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
- 7Tahaka ny hasin’ampongaben-danitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao*.[Na : ny volonao milantolanto]
- 8Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
- 9Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin’izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
- 10Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ny miaramila mitondra faneva?
- 11Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo* aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin’egoza]
- 12Tsy nampoiziko ny nanandratan’ny fanahiko ahy ho eo amin’ny kalesin’ny fireneko be voninahitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.