Tonon-kiran’i Solomona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
Toko 1
- 1Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon’i Solomona.
- 2[Ny ampakarina sy ny zanakavavin’i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
- 3Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ny zatovovavy anao.
- 4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
- 5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’i Jerosalema, toy ny lain’i Kedara, toy ny ambain-dain’i Solomona.
- 6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ny tenako, tsy mba nandrasako.
- 7Lazao amiko, ry ilay tian’ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana* aho Eny amin’ny andian’ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]
- 8Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian’ny ondry aman’osy, ary andraso eny amin’ny lain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.
- 9[Ny mpanjaka sy ny ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’i Farao.
- 10Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
- 11Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
- 12Raha mipetraka amin’ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
- 13Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
- 14Ny malalako dia tahaka ny vonin’ny kofera amiko, any an-tanimbolin’i En-jedy.
- 15Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]
- 16Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
- 17Sedera ny sakamandimbin’ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.