Tonon-kiran’i Solomona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
Toko 4
- 1Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin’ny fisalobonanao*; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan’ny tendrombohitr’i Gileada.[Na: volonao milantolanto]
- 2Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
- 3Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao*; Tahaka ny hasin’ampongaben-danitra ny takolakao eo amin’ny fisalobonanao**,[*Heb. fitenenanao][**Na: volonao milantolanto]
- 4Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an’ny lehilahy mahery.
- 5Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin’ny lilia.
- 6Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro*, dia handeha aho ho any amin’ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka]
- 7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
- 8Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon’i Amana, eny an-tampon’i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
- 9Efa lasanao ny foko, ry havako* ampakariko, efa lasanao ny foko tamin’ny masonao an-ila sy tamin’ny rojo anankiray amin’ny vozonao.[Heb. ampakariko]
- 10Akory ny hatsaran’ny fitiavanao, ry havako* ampakariko! Akory ny hatsaran’ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]
- 11Mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelanao, ary ny fofon’ny fitafianao dia tahaka ny fofon’i Libanona.
- 12Saha voahidy ny havako* ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko]
- 13Hianao no saha anirian’ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
- 14Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra* Mbamin’ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota]
- 15Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
- 16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan’ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.