Apokalypsy
Toko 7
- 1[Ny niarovana ny Isiraely marina mba tsy hosimban’ny loza ho avy, sy ny fahasambaran’ny tonga any an-danitra ka afaka amin’ny fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza.
- 2Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ny feo mahery nanao hoe:
- 3Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.
- 4Ary nahare ny isan’izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’isiraely rehetra.
- 5Avy tamin’ny firenen’i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ny firenen’i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Gada roa arivo amby iray alina.
- 6Avy tamin’ny firenen’i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Manase roa arivo amby iray alina.
- 7Avy tamin’ny firenen’i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’Isakara roa arivo amby iray alina.
- 8Avy tamin’ny firenen’i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ny firenen’i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
- 9Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
- 10dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.
- 11Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ny loholona* sy ny zava-manan’aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra [* Gr. presbytera]
- 12nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 13Ary ny anankiray tamin’ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr. presbytera]
- 14Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.
- 15Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
- 16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
- 17Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony (Isa. 25. 8).
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.