Apokalypsy
Toko 20
- 1[Ny amin’ny namatorana an’i Satana, sy ny amin’ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
- 2dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
- 3dia nanipy ary ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
- 4Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.
- 5Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
- 6Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
- 7Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany
- 8ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin’ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
- 9Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. [* Na: (afo avy amin’Andriamanitra)]
- 10Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’alina mandrakizay mandrakizay ireo.
- 11Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
- 12Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany.
- 13Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy]
- 14Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy]
- 15Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.