Apokalypsy
Toko 11
- 1[Ny nandrefesana ny tempoly, sy ny amin’ny vavolombelona roa] Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
- 2Fa ny kianja eo ivelan’ny tempoly dia avelao* ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy. [* Gr. atsipazo eny ivelany]
- 3Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
- 4Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.
- 5Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin’ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
- 6Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
- 7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
- 8Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin’ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazo fijaliana.
- 9Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan’andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.
- 10Ary ny mponina ambonin’ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.
- 11Ary rehefa afaka ny hateloan’andro sy tapany, dia nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo, ary nijoro tamin’ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
- 12Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
- 13Ary tamin’izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon’ny tanàna, ary maty tamin’izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra.
- 14Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
- 15[Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan’ny Joza fahatelo] Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.
- 16Ary ny loholona* fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany eo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin’Andriamanitra [* presbytera]
- 17nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.
- 18Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
- 19Ary novohana ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran’ny fanekeny teo anatin’ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.