Apokalypsy
Toko 13
- 1[Ny amin’ny biby roa izay mpanompon’ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy*. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3]
- 2Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
- 3Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
- 4Ary dia niankohoka teo anoloan’ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an’ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
- 5Dia nomena lela* miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy** izy, ary nomena fahefana mba hiasa*** roa amby efa-polo volana. [* Gr. vava] [** Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [* Na: haharitra]
- 6Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy* an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
- 7Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
- 8Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.
- 9Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
- 10Raha misy mamabo, dia mba hobaboina* kosa izy; ary raha misy mamono amin’ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ny olona masina. [* Na: Raha misy ho amin’ny fahababoana, dia ho amin’ny fahababoana izy]
- 11Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
- 12Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan’ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ilay feriny saiky nahafaty azy.
- 13Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ny tany eo imason’ny olona aza.
- 14Ary mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ny bibi-dia, sady milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sary ho an’ny bibi-dia, izay voan’ny sabatra, nefa velona ihany.
- 15Ary navela hanisy aina ny sarin’ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ny sarin’ny bibi-dia.
- 16Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ny tànany ankavanana na eo amin’ny handriny avokoa,
- 17mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibi-dia, na ny isan’ny anarany.
- 18Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan’ny bibi-dia, fa fanisan’olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.