2 Tesaloniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 1
- 1[Ny hafalian’i Paoly noho ny faharetan’ny Kristiana tao Tesalonika sy ny finoany ary ny fitiavany] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
- 2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
- 3Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
- 4ka reharehan’ny tenanay ianareo eny amin’ny fiangonan*’Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- [* Gr. eklesia]
- 5famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan’Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
- 6fa zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
- 7ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny,
- 8amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika,
- 9dia olona izay hiharan’ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
- 10raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
- 11Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ny finoana,
- 12mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.