2 Tesaloniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 3
- 1Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan’ny tenin’ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
- 2ary mba hovonjena ho afaka amin’ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
- 3Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ny* ratsy. [* Na: Ilay]
- 4Fa izahay matoky anareo ao amin’ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
- 5Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ho amin’ny faharetan’i Kristy.
- 6Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
- 7Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
- 8ary tsy nihinana foana izay hanin’olona, fa niasa andro aman’alina tamin’ny fikelezan’aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
- 9tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
- 10Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
- 11Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona.
- 12Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
- 13Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.
- 14Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
- 15Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
- 16Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
- 17Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin’ny epistily rehetra; izao no soratro.
- 18Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.