2 Tesaloniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 2
- 1[Fanitsiana ny hadisoan-kevitry ny sasany ny amin’ny andron’ny Tompo] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
- 2mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina ianareo, na amin’ny fanahy, na amin’ny teny, na amin’ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ny Tompo.
- 3Aza mety hofitahin’olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
- 4ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
- 5Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
- 6Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin’ny fotoan’androny.
- 7Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany*. [* Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy]
- 8Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo* amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fihaviany; [* Na:(holevonin’ny Tompo)]
- 9ny fihavin’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
- 10ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
- 11Koa izany no ampanateran’Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
- 12mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
- 13[Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
- 14sady ho amin’izany koa no niantsoany anareo tamin’ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 15Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay, na tamin’ny epistilinay.
- 16Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,
- 17no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.