1 Tesaloniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 5
- 1Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
- 2satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
- 3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
- 4Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
- 5Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika.
- 6Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr. hiari-tory]
- 7Fa izay matory dia matory amin’ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ny alina.
- 8Fa satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
- 9Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika,
- 10Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
- 11Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
- 12[Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo,
- 13ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
- 14Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ny olona rehetra.
- 15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra.
- 16Mifalia mandrakariva.
- 17Mivavaha, ka aza mitsahatra.
- 18Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
- 19Aza mamono ny Fanahy.
- 20Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
- 21Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
- 22Fadio ny fanao ratsy rehetra.
- 23Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 24Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
- 25Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
- 26Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin’ny fanorohana masina.
- 27Mampianiana anareo amin’ny Tompo aho mba hovakina amin’ny rahalahy* rehetra ity epistily ity. [* Na: (rahalahy masina)]
- 28Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.