1 Tesaloniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 4
- 1[Fananarana ny Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.
- 2Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’i Jesosy Tompo.
- 3Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
- 4mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra,
- 5tsy amin’ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
- 6mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany*; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [* Na: amin’ny raharaha]
- 7Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana.
- 8Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.
- 9Fa ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia.
- 10Fa manao izany ihany ianareo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
- 11ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
- 12mba handehananareo amin’izay fitondran-tena mahamendrika amin’ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
- 13[Ny hihavian’i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
- 14Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin’ny alalan’i Jesosy]
- 15Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
- 16Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
- 17ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
- 18Koa dia mifampionòna ianareo amin’izany teny izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.