1 Tesaloniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 1
- 1[Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny nandraisan’ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany tamin’ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
- 2Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay,
- 3sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika;
- 4fa fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
- 5fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
- 6Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
- 7ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
- 8Fa avy taminareo no nanenoan’ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
- 9Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
- 10ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.